HAMBO (Fidy Art Niaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy adalako, angamba, ny hitsodrano anao
Olombelona ianao; manan-jo ny hisafidy
Mantsy, ianao manan-tompo ka akory atao?
Fotsiny aho alahelo fa tsy afaka ny handidy

Nofinerako ny foko tsy hitempo aminao
Na dia mbola tomoetra ilay dindon-tsikinao mambabo
Fa hanadino aho; hamoy tsotr'izao
Lehilahy ny aty e! lehilahy manan-kambo

Ny dinitry ny fitiavako hobedesiko hangina
Ny somaritaky ny saiko halamiko eny mora
Tsy misy mafy toy ny famoizan-tiana
Fa hadino ihany rehefa mihodina ny ora

Tsy hoe fitia ketsa ka mora hafindrafindra
Nefa aleo miova lasy raha tsy afaka hanantena
Ekeko, Ralala, fa ianao no tiako indrindra
Saingy, sanatria raha izay ianao no hamonoako tena

Fidy Art Niaina in Vetso V
--------
Rohy:
632 1
Mpakafy: Fidy Art Niaina
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fidy Art Niaina
Nampiditra : Fidy Art Niaina
Daty : 20/05/2019 06:12
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0255