IRIKO (Fidy Art Niaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IRIKO

Iriko lala tsy ho endrika sy harena no hitiavanao ahy
Iriko dia iriko ianao hobaboiko amin'ny toetra sy fanahy
Mantsy, raha endrika iveliny no hahasodoka anao; ahiako mbola mety hifindra
Raha tojo tsaratsara dia any ianao no hibitsika ilay hoe "ianao tiako indrindra"

Lala o! ny vola sy harena leisy samy tsy eto an-tanako
Fa ny eto fitiavana tsy mora lefy no mba hananako
Ka mba topazy maso fa miandrandra anao r'ilay nitoeran'ny hatsarana
Toa zaza manirery ka maniry mafy anao mba ho namana hiantana

Masoandro an-danitra iny, midorehitra hariva dia hilentika any ho any
Ny volana misoka; vetivety teo dia norakofan'haizina
Ny foko kely ity e! miandrandra irony kintana hanilo izany tany
Ry fitarikandro o! Mipitrapitra irery aho ka maniry mba horaisina

Indreo mitsoridrika eny an'habakabaka eny ny tselatra alinalina
Injany koa mirefotra mampitahotra ahy ny kotrobara-pahavaratra
Raha mijojo re ny orana, rano hiakatra eto mety ho lalina dia lalina
Ralala o! Ity foko vato alatsaka eh! Miandrandra anao ho zahatra

Raha tojo ny ririnina; izato hoditro manify hotemerin'ny hatsika
Ny foko mba todiho fa miparararetra sy mizaka hirifiry koa mazàna
Izato fahitako anao; aza avela handalo toy ny sary indray mipika
Fa ndao hiara-honina k'ito trano bongoko ito hiteraka hafanana

Toy izay sy toy izay ny eto ry lala ka asakasakao
Ny fahasamihafana tsy ataoko hisakana ahy tsy hitia anao
Ka iriko dia iriko ianao hobaboiko amin'ny toetra sy fanahy
Iriko lala tsy ho rendrarendra sy fahatairana no hitiavanao ahy

Fidy Art Niaina - 30/05/22 - 14:54
--------
Rohy:
471 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0159