KAFARA (Fidy Art Niaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny teto efa ela niainana Lala a!
ka tsy atoronao izany resa-pitia.
Raha anio ianao nihevitra ny hiala;
Tsofiko rano hoe soava-dia!

Ianao anie ekeko fa maro mpitaty e!
Firifiry ny bandy no mikaoty anao?
Tandremo fotsiny sao tsy mahatanty;
F'ireny tsy mihevitra hampiakatra anao!

Ny tovolahy eto anie ka lolo toetra e
Tsy mba mifikitra amin'ny vony iray
Mandalo fotsiny, tsy mitoetra
Dia ianao no hanenina mandrakizay

Ka raha misy any ho any akanga tsara soratra,
Aza anariana ny akoho taman-trano!
Aza manataka na manao tohatra!
F'ilay tena tia no tiavo sy tano!

Ka raha misy any olona misodisody
Dia ilay olontianao hajao lalan-dava
Ny todim-paty, Malala, no aza manody
Fa raha hoe todim-pitia? MANODIAVA!

FIDY ART NIAINA - 03h16 - 12 Febroary 2024
--------
Rohy:
104 1
Mpakafy: Fidy Art Niaina
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0154