You are here: home > Vetso

LAHATRA SY ANJARA - Fidy Art Niaina

Ny rivota mahery no nanapaka ilay hazo
Ny renimoka nanaikitra no mamindra tazo
Ny rahona nivory no nanakona ny taratra
Ny tontolo no feno ankaso dia lazaina fa hoe LAHATRA

Ny havandra niraraka no namotika ny voly
Ny vola mahery no mahatonga kolikoly
Ny lasa navalona no tonga tantara  
Ny tany no mietraketraka dia lazaina fa ANJARA

Fidy Art Niaina

Hametraka hevitra

Midira aloha