You are here: home > Vetso

MAHATOKIA - Fidy Art Niaina

Malala a! Efa firifiry moa no tovovavy niserana teto?
Efa firifiry koa ampela nitory fitia tamiko?
Fa tsy nampiraika izy ireny f'ianao ihany no mamiko
Ianao no nofidiko hotiaviko mandrakizay
Fa raha izy indray?
Efa nofafako hatramin'ny laharany tao anatin'ny finday

Porofoiko eto anio fa tena tiako ianao
Manaja anao aho ka tiavo koa sy hajao!
Ny momba amiko rehetra efa lasanao daholo
K'aza ratraina fa mila anao hikolo
Eny, na ny aiko aza foiko ho anao
Malala a! Ataovy tsapako hoe tena tia ahy koa ianao

Fidy Art Niaina Onjaniaina _ 13/03/19 _ 19:27

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha