You are here: home > Vetso

NY FON-DEHILAHY - Fidy Art Niaina

Taitran'ireo tovovavy mipaozy
Izay rehetra miserana tiana daholo
Kanto toa Lisy, Dalia ary Raozy
Ny fon-dehilahy re ry tiako ka lolo

Izay hita rehetra toa meva
Hany izy ireny ka tiana avokoa
Fon-dehilahy: boloky homam-boatseva
"Mamy ny atsy; fy ny aroa"

Fa ny foko kosa tsy tia fampirafesana
Ka rehefa ilaozana, indrisy, mijaly
An-kazo tokan-tsy manina no ahafatesana
Ny foko ry tiako dia toy ny VOANGALY

Fidy Art Niaina in Vetso II

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha