NY LASA NIARAHANA LEITSY A (Fidy Art Niaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny lasa niarahana leitsy a!
Finamanana mamy tokoa
Isika tsy mba nifametsy
Fa isika? nifanasoa

Kanefa androany r'ise a!
Tovovavy iray no nampiady
Ekeko ialahy tiany anie
Fa anjaranay angamba ny hivady?

Tsy hoe naka ny anjaran'ialahy
Fa tiako izy ary tia ahy koa
Niezaka aho tsy naka fanahy
Saingy izy no nibaboka moa

Tsofy rano fa aza asiana alahelo
Raha amiko no mba nironany
'Ndao hihavana isika telo
Dia hifonako re ny fifonany

Niantsampy aty amiko Ikala
Ary ho vadiko teo vetivety
Nefa aoka isika tsy hifankahala
Ny lasa niarahana leitsy a!

Fidy Art Niaina - 20 Aprily 2022
--------
Rohy:
Sokajy : tantara - Namana - ahy - fiainana - Fitiavana
668 1
Mpakafy: Noeliva
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0151