TIA IZY FA... (Fidy Art Niaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tia izy fa mbola zaza kosa tsy mahay maneho fitiavana
Ka aza ialahy sorena raha toa izy tsy mety hifampitantana
Na ny hanoroka an'ialahy eny andalambe aza tsy mbola vitany
Satria vao ialahy no sipany

Tia leitsy izy fa tsy afa-manoatra a!
Mbola tsy ampy taona izy ka bedin-dray aman-dreny
Raha mametrapetraka izy aza dia masiaka loatra e!
Ataovy ampy aloha ny fitiavana nomeny

Indraindray ialahy sorena, tofoka sy leo
Dia mitady hampirafy sy hanova vaovao
Nefa ialahy mihirahira hoe mifanaja ianareo
Tena tia leitsy izy a, aza ratrainao

FIDY ART NIAINA -
21/01/2021 - 05:36
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
207 1
Mpakafy: Fidy Art Niaina
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0145