You are here: home > Vetso

TSY HO FOANA - Fidy Art Niaina

Azo vakiana?

Raha mbola misy fo
Tsy ho foana ny fitia
Raha mbola miy zo
Tsy ho foana ny sonia

Raha mbola misy volana
Tsy ho foana ny hazavana
Raha mbola misy olana
Tsy ho foana ny famahana

Raha mbola misy hotenenina
Tsy ho foana ny hetaheta
Raha mbola misy mpenina
Tsy ho foana ny poeta

Hametraka hevitra

Midira aloha