Aiza ianao (Harintsoa Gasy Mpikalo)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aiza ianao

Fahasambarana aok'izany
Ny teo anilanao
Tambitamby teny mamy
Safosafo lava izao

Dia nankamamy nankafy
Ity fitia adolatsento
Miramirana ery
Tsy mba ory tsy nisento

Ianao mikatsaka ny soa
Mikikitra mangina
Izaho mioty voka-tsoa
Mahazo izay iriana

Tsy mahalala akory
Izay hiafaran'ny tantàra
Reraka sy resi-tory
Tsy nifoha fa efa tara

Tsy voavaliko akory
Ilay fitiavanao ahy
ilay fo faly lasa ngoly
matahotra sy miahiahy

Aiza ianao aiza ianao ry Tiako?
Nanome ny soa fa tsy voakarakara
Tsy ianao angaha? ilay fitiavana niriako?
Sendra ory vao nitady, kanefa efa tara

Aiza ianao? hitantarako ny amiko
hanoroka ahy, ka hitantana indray
Fa mafy loatra re, ity sedra sy ny saziko
Veloma re ry tiako, eo an'ilan'ilay Ray
--------
Rohy:
Sokajy : embona
619 1
Mpakafy: gasympikalo
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Harintsoa Gasy Mpikalo
Nampiditra : gasympikalo
Daty : 14/07/2020 08:42
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137