Miangatra amiko ve ny fiainana? (Harintsoa Gasy Mpikalo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Teto lesy no nantenaiko izany fandrosoana izany
Nivetsoko ny tononkiran'ny fitiavana
Nihirako ny hafaliana sesilany
Nanekeko hatrany, tsy nisy ny fandàvana

Teto lesy no nantenaiko ahavita soa
Hiambozonako ny ziogam-pandresena
Namafizako ny voam-bokatsoa
Niady mafy anefa tsy mba nitaraina

Teto lesy no novetsoiko ny fanevam-pisandratana
Ny ady ho an'ny fahantràna
Nanosehako ny hafa mba hiakatra
Hanoratako ny anarako kanefa noraràna

Indrisy, miangatra amiko ve ny vintana
Sa miangatra amiko ny fiainana?
Ny mangirana tsy hitako?
Fa toa maizina ny lalako

Tsy nisy pitim-pandresana akory
Fa toa valaka ny saina?
Mbola hanohy sa tsia intsony?
Sa hoe miangatra amiko ny fiainana?
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
353 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Harintsoa Gasy Mpikalo
Nampiditra : gasympikalo
Daty : 31/03/2022 06:55
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094