Ny lahatra ve? (Harintsoa Gasy Mpikalo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny lahatra ve?

Tsy ilay faniriana na ilay nofinofy
No hany tanteraka fa dia zavatra hafa
Ny mainty no niriana, nahazo ny fotsy
Dia misy mihevitra fa toa lalim-paka.

Tsy resa-bolok'oditra akory izy ity
Na ihany koa halako bika tsy tiako tarehy
Fa ny mateti-pitranga rehefa mitia
Indrindra amin'ireo Mpitovo izay voafehifehy

Sakanana maika mirongatra
Zary tsy laitra ny balan'ny hanatra
Asaina mangina maika koa montotra
Tsy hianao no misafidy fa misy mpandahatra

Ry Ray aman-dreny mpanao vadi-tolotra
Na ireo mpanilika irony mahantra
Tsy amidy tsy akory sanatria re ny molotra
Fa misy ny sahaza nataon'Andriamanitra

Ny lahatra ve?
Dia tsy ilay safidy na koa hoe Anjara
Fa ilay hany tokana voatsinjon'ny lanitra
Aza be sotasota fa sao ianao tara
Fa io re no tsara nataon'Andriamanitra.

Harintsoa Gasy Mpikalo
--------
Rohy:
669 1
Mpakafy: Gasympikalo
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Harintsoa Gasy Mpikalo
Nampiditra : Gasympikalo
Daty : 29/01/2021 10:59
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143