Alin'ny ditra (Harintsoa Gasy Mpikalo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Minia mikipy mody tsy mahalala akory
An'ity foko misento amin'ny andro maha-ory?
Miventso misioka ao anatin'ny alina
Fitia misy tery toa saro-patarina

Jamba ary ve?
Tsy mahita sa tsy mandre?
Sa? solafaky ny tany malaman'ny ditra?
Dia ilay olo-malala no hodiana tsy hita?

Sento tokana ao anatin'ny alina
Fitia misy tery ka tsy marimarina
Miventso mangina misento mitsitra
Fa dia miandry ny rariny, amin'ny alin'ny ditra

'Zaho ity latsapaka sy miandry ny marina
Ianao variana mirevy mifoka amin'ny alina
Izaho tsy mahita tory fa manongo tena
Hay ianao makorelina mpivaro-tena

Mananatra aho tsy henoina akory
Isan'andro amin'ny alina tsy mahita tory
Mangina aho sisa ka mipitrapitra
Fa tsy ho afaka aminao izany ny alin'ny ditra

Alin'ny Ditra
--------
Rohy:
Sokajy : fananarana
593 1
Mpakafy: gasympikalo
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Harintsoa Gasy Mpikalo
Nampiditra : gasympikalo
Daty : 15/07/2020 06:24
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139