Ra vorona (Harintsoa Gasy Mpikalo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aody re ra vorona salama ve ianao?
Tonga mba hamangy aho re raha toa ka sitrakao?
Sady avy koa mba hampita hafatra e!
Tsy laniko tsianjery fa izaho tsy tonga lafatra

Nanafatra ahy ny Ntaolo
Hoe, hoesorina daholo ireo tanàna haolo
Fa be ny gasy tsisy Trano
Miaina lava anaty rano

Be ny mangatsiaka
Tsy mba manan-ko ho tafiana
Tsy mba misy aro riaka
Fa dia miaritra fihafiana

Ka dia mila famonjena
Fanampiana sesehena
Fananganana ihany koa
Ireo trano maro loha

Faingàna re ry vorona
Fa aza mihanahana
Ampandreneso re ny olona
Sy ny mpitondra fanjakana
--------
Rohy:
Sokajy : Mila vonjy
740 1
Mpakafy: gasympikalo
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Harintsoa Gasy Mpikalo
Nampiditra : gasympikalo
Daty : 17/07/2020 06:14
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142