You are here: home > Vetso

Izay ihany ny ahy - Harintsoa Gasy Mpikalo

Azo vakiana?

Maika ery hanitsy vao teny frantsay
Rehefa mifangaro ny la sy ny le
Rehefa teny gasy ataony alasafay
Ianao ilay mba miteny no lazainy mampiomehy

Dedaka io hanonona raha vao teny Amerikanina
Fa ny teny gasy no atao anjorom-bala
Midera tena ery fa mahay teny Alimanina
Dia injay misehoseho ho mahay sy mahalala

F'io anagaha mihevitra fa hiofo ho vazaha?
Na rehefa kelikely dia hivadika ho anjely?
rehefa voapita ny hevitra dia izay ihany ny ahy
Tsy izay rehetra basivava no ampiana-bakiteny

Sokajy : Teny vahiny

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Harintsoa Gasy Mpikalo


Nampiditra : gasympikalo
Daty : 16/07/2020
Mpamangy : 39
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

Mahagaga
Ra vorona
Alin'ny ditra
Aiza ianao