Mahagaga (Harintsoa Gasy Mpikalo)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mahagaga

Mahagaga ahy tokoa
Raha izato fiarahamonina
Tsy nahitako zava-tsoa
Raha tsy sorisory monomonona

Tsy mba nifampitaiza
Fa mifampiana-dratsy
Tsisy lalana mankaiza
Fa be fiteti-dratsy

Na mpitondra fanjakana
Na koa vahoaka entina
Samy ambonin'ny lalàna
Madio tsy misy pentina

Dia mifanambany
Manampa-pahefana
Na ny olona ambany
Na mpamorona lalàna

Izay mahatsapa resy
Avy hatrany miala maina
Dia misintaka ny fetsy
Izay mahantra no mangaina

Dia tsy mba mifanampy
Fa dia mifanambaka
Kanefa samy gasy
Izay no tena mahagaga
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
467 1
Mpakafy: gasympikalo
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Harintsoa Gasy Mpikalo
Nampiditra : gasympikalo
Daty : 03/08/2020 08:17
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015