You are here: home > Vetso

Fahamarinana - havotraniaina

Azo vakiana?

            Fahamarinana


Raha ny marina sy ny rariny ary ny hitsiny no ho resahina,
moa tsy betsaka no marary fo, arahin-tseto tomany koa,
moa tsy betsaka no nigadra, arahim-baraka alahelo koa,
moa tsy betsaka no namoy havana, arahin'ory ho aiza moa,
moa tsy betsaka no namoy ny ainy, arahin'aloka kamboty koa.


Mpanoratra: LALAHARISON Havotra Niaina (18 Jolay 2022)