You are here: home > Vetso

Fahasambarana - havotraniaina

Nantsain'i
ikalamako


FAHASAMBARANA

Ny fiainam-pahasambarana,
tsy vola aman-karena,
na vola sesehena,
fa mila fahendrena.

Ny fiainam-pahasambarana,
tsy toeram-boninahitra,
na laza,voninahitra,
fa mila ravinahitra.

Ny fiainam-pahasambarana,
tsy lokom-pirazanana,
na sarim-pihavanana
fa mila fihavanana.

Ny fiainam-pahasambarana,
no ahitam-piadanana,
no ahitam-pifaliana,
no arahim-pitsikiana.

Mpanoratra:LALAHARISON Havotra Niaina. (12 Jolay 2022).

Hevitra mandeha

havotraniaina (19/09/2022 06:20:06)

Finaritra tompoko, mankasitraka ny vetso.serasera.org nanisy feo.
Misaotra tompoko fa sady faly no finaritra ery mihaino azy.