You are here: home > Vetso

Ny fetin'ny ray. - havotraniaina

Azo vakiana?

Ny fetin'ny ray.

Zao no tsaroana, dia ny fetin'ny ray,
Arabaina ianao, ho tahian'ny Ray,
No indro fa mamelona indray,
Mba ho vonona hiatrika, hitraka indray.

Zao no tsaroana, dia ny fitiavan'i dada,
Miahy, mamelona, misaina ny ao andapa,
No adidy voatendry natolotry ny Avo,
No sanatria hanadinana raha lavo.

Zao no Tsaroana, dia ny fahasiahan'i dada,
Ny zanaka mihoa-pefy, moa tsy faizin'i dada,
Fa ny fahendrena no mamefy,tsy ho mora azo,
Fa izany no mahaolona,ho voninahitry ny Avo.

Mpanoratra : LALAHARISON Havotra Niaina
15/06/20