You are here: home > Vetso

Ny olom-banona - havotraniaina

Azo vakiana?

     Ny olom-banona.
    

Ny olom-banona hoy ianao?
dia ny olona nianatra,
zovy no tsy hianatra,
dia hoy aho hoe: Tsia.


Ny olom-banona hoy ianao?
dia ny olona malaza,
niavaka ka fanta-daza,
dia hoy aho hoe: Tsia.


Ny olom-banona hoy ianao?
dia ny olona tafita,
niezaka ka nahavita,
dia hoy aho hoe: Tsia.


Ny olom-banona hoy ianao?
día tsy izany ihany,
fa ny olon'ny fitiavana,
andriam-pahendrena,
manana fo, sy saina, ary fanahy,
dia hoy aho hoe: Eny.



Mpanoratra: LALAHARISON Havotra Niaina.