FO NIHANJAHANJA (Heriarilala )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FO NIHANJAHANJA

Teto... nisy fo nihanjahanja,
tsy nahay nihambahamba,
tsy mba niolakolaka
nilaza sy namboraka
ny atiny fanafina,
tsy nisy kely takona.

Nisy fo nipararetra
nanome ny aminy rehetra
hisambaranao...
Nefa akory hatao
fa ianao tsy nety hiraika
na dia nisy fihetsika nihaika.

Eto... misy fo efa nionona
efa ela no nivonona
satria ianao tsy niherika
dia naleony niova fihetsika,
fa nisy iray nisarika
hotiaviny maharitra

Izao, ny fonao mihanjahanja
tsy misalasala angamba
mamboraka ny anaty
minia ve sa tsy satry ?
Milaza ho tena tia,
niova sampy ange ny aty !

Heriarilala 16/07/24
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
69 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0831