Anareo ny fahefana (Heriarilala )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANAREO NY FAHEFANA

Anareo ny fahefana fa ny anay ety fitazonana aina sisa
Anareo ny fangejana fa izahay ety tsy mahalala paradisa
Handaminan-tsaina anefa dia atao hoe tsy izao no afobe mahamay
Izahay tsy afaka hilefa fa atao hoe afo fandiovana no misedra anay.

Mba te hitsangantsagana sy hijery fety fa ny sarany aman’alina
Mba te hamangy havana hanao izay metimety fa ny hantsana mihalalina
Ny saran-dalana tsy vita, ny vilaninay tsy mahalala hena intsony.
Iarahana mahita fa ny zava-misy ety tsy hahafahana mitony.

Anareo ny fahefana fa izahay ety tsy afaka misitraka fampianaran-dafo vidy
Mba te hanam-pahaizana amin’ny sekoly mihaja saingy tsy manana safidy
Ny zanakay tanora zara raha mahalia ny sekolim-panjakana
Mitokona isan’ora satria voafilafila amin’ny resaka karama.

Mba te hianjaikazaika sy hiambozona firavaka saingy efa lafo izany
Nataonay vola maika, fa ny miandry valim-bavaka mandreraka ihany
Ny vava homana izao no atao lohalaharana ho fitazonana aina
Ny kibo tsy mba voky fa rehefa hoe mitsako dia mirana ny saina.

Heriarilala Andriamamonjy 14/07/2022
--------
Rohy:
69 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1873