Sanganehana (Heriarilala )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sanganehana

Hiady fitiavana ?
Inona no antoka fa tsy maintsy ho mpandresy ?
Tsy matahotra fandavana ?
Sao mamita-tena ka mihevitra ny ho fetsy ?
...
Endrika sa bika ?
Ikalahafa...
Hendry sa maditra ?

Hiala tsy hifaninana ?
Hanome mora foana ny tiana hisambarany
Moa fanambinana
ny mitebiteby foana sao hikambana ny anarany

Hiady fitiavana...
Nahoana no mihevitra fa tsy maintsy ho resy
Manahy fandavana
Sao kosa re ny mipetraka no mety ?

Heriarilala Andriamamonjy
19:11 12/06/24
--------
Rohy:
65 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2734