LASO (Heriarilala )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LASO

No tia azy ny foko naky nitsingilahila
No tieny rahateo ka vonto taralila
Kanefa iaraha-mahilala fa drinara tsy hatao
Ka eto ro amotsorako, laso izy ho anao

Tazantazako hiany añareo mifañakaiky
Ny taiña nihahadiñony f'efa ate ro nanaraiky
Tsa hasiena alahelo na horohizan-dromoromo
Laso re fony, koloy fa aza atono


Ny handao ny mahazatra ro saika nanahirana
Kanefa moa hañitroka, tsa mety ny hifandirana
Tsa hisy koa koa ny hifanohitohy
Tahatahaka izay mianatra mamoy

Eko laso fa tienao, añareo toa mifañeva
Añay samy nahilala fa tena tsa hateza
Ataovy izay mahasoa, fa efa ho finaritra
Mifankatiava hatrany, meteza moa haharitra.

Heriarilala 19/07/24 19:07
(Laso : ento ho anao, avy amin'ny hoe "lasa"
Oh: Lasako ilay finday. Valiny : laso raha tianao)
--------
Rohy:
314 2
Mpakafy: Djess - iheriarilala
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153