Mampivoatra ho ratsy (Heriarilala )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MAMPIVOATRA HO RATSY

Mampivoatra ho ratsy  ny fiainana etoana
Ireo fandoto mantsy mahomby eny foana
Ny mpanao ny marina mijaly sy miempo
Tsy mety ho tafarina fa resy ihany hatreto


Isan'andro, isan'ora dia takona ny rariny
Ambakain'ny fatsora, matetika avariny
Dia alaim-panahy mba hanova toetra
Fa azon'ny ratsy ny tsara rehetra rehetra

Miteraka fialonana ny tranga hita maso
Tsy mba misetra olana ireo mpanao ankaso
Mifohafoha volo ireo tia lala-mahitsy
Ireo mpihetraketraka tena tsy mitsitsy

Dia tsy mety tratra ny tanjona kendrena
Ny faharavana mihatra ka indrisy mahonena
Indraindray toa faty antoka ny tsy mibilobiloka
Ny mihafy sy ny miaritra tsy mba mahita hafitsoka

Heriarilala Andriamamonjy, 26/07/24, 19h47
--------
Rohy:
49 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1312