Vain-drahalahy (Heriarilala )

Nantsain'i heriarilala
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VAIN-DRAHALAHY

Hoy ny fanjanahan-tsaina :
"hianatra dia karamaina ?
Mipetraha raha tsy mazoto
fa aza miloham-boto !"

Saina mody adala
ka minia tsy mahalala
ny ngidy iaretanao.
Misolelaka no atao !

Ny vain-kafa tsy maharary
Ianao raha hoe mijaly
Tsy havan-dray sy reniny
Fa iza ianao no hoheveriny ?

Kanefa vola kely 'lay hoe vatsim-pianarana
Zara raha mahavita ny antsasa-tsaran-dalana
Ianao mandeha mandranto tsy mba voky akory
Mifoha maraina an-kibo noana kanefa niari-tory.

Fa izay tsy tonga teny sy tsy mba manana eny
Dia manana alahelo amin'ilay vatsinao mba kely
Tsy mahavita akory ny akanjo indray misolo.
Nitaky ianao, voadaroka, ireo nitehaka daholo.

Kanefa... Ireo mamihin-tanana
dia olona efa manana
Tsy mamboly ireo fa voky
ka sahy manosihosy.

Heriarilala 14:49 12 Sept 2023
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana - Fiainana
68 1
Mpakafy: rina15
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1151