Voatahy sy hotahina (Heriarilala )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Voatahy sy hotahina
(Atolotro ho an'i Imbitika Rambala)

Ianao zavaboahary navahany manokana,
tiany ho lavorary ka nataony tsara ofana,
tao ireo sedra maro mety ho nisy fihafiana
anio ianao mahatsiaro hoe mioty fifaliana.

Nomeny fanambinana hahita zana-jafy,
ataony miramirana fa naniry ny nafafy,
olona voatahy nandairana tso-drano,
noho izany, aza manahy, ny fifaliana tano.

Mbola fitahiana amboniny ilay talentanao anaty,
tsy nofidinao hokobonina fa nanasoavanao ny Gasy,
nentinao nanabe ny taranaka mandimby
ny zava-bitanao ange tena mamy, sarobidy

Amaranako ny kalo, firariana hatrany hatrany,
mbola maniry taona maro hiainanao ety an-tany,
hotahina foana anie amin'ny fiainana ho avy, ho feno fifaliam-be anivon'ireo mpianakavy.

Heriarilala Andriamamonjy
29 Aogositra 2024, 08: 36
--------
Rohy:
Sokajy : Tsingerintaona
42 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143