Manavatsava lalina (Herilanja RANDRIAMANGA)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Manavatsava lalina iny habakabaka iny,Ilay heritreritra alahelo izay toa mangirifiry,
Tapako hatreto fa aina very maina,
Raha ny Hanadino ilay endrikao, mitamberina ao an-tsaina.
Izay jereko mantsy dia mampatsiahy anao.
Toa misy sarisary sy salovan-tavanao,
Izay toerana niarahina, tetsy sy teroa,
Sy ireo zavatra natao ka niarahantsika roa.
Nofinofy sisa ireny rehetra ireny,
Na ianao ilay misarika, na ianao ilay tsy miteny,
Izay rehetra niainanao, ny hatsika sy ny hafanana,
Toy ny nahafaly anao, ilay ranomasonao tsy tana.
Fa any mantsy ianao, any alavitra any.
Tsy hoitako intsony noho ny elanelan-tany.
Malahelo ihany aho sady mbola tia,
fa tsy ampisokatra intsony ilay fo vaton-dry.
--------
Rohy:
Sokajy :
Embona