fitiavana manorisory (heritreritro)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
hazavana lasa aloka
sy sedrasedra ary tampoka
hadisom-panantenana
sy alahelo tsy hay hialana
setrasetra sy ankaso
mety arahin-dranomaso
nofinofy tsy tanteraka
sy adin-tsaina toa mandreraka
ratra anaty mampahory
fitiavana manorisory!!
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1774 2
Mpakafy: megatsino - hasiniony
Hevitra mandeha
hasiniony ( 01/03/2011 12:12)
Ny haizimpito aza iky,
mbola mahafoy mitsiky
mitondra helatra mandalo
ho an'izay tsy afa-mikalo.
...
Moa va tsy sahan'ady?
feno rafy, tobaka ady
no tian'ny fo mba ho kijanany
ka ifikirany ho tananany!
...
Ka raha fitiavana nirina,
no mampidraiko fahoriana
dia aoka ho fantatrao mazava
fa ny diavola mbola ho lava!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143