Vonjeo i Madagasikara (heritreritro)

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Andriamanitra o

Vonjeo i Madagasikara
Ampy izay ny fahoriany
Hanjakan'ireo baroa

Miha ratsy ny tantara
F'ireo mpitondra nitokiany
Hay mpamadika avokoa

Tsy_an-tany tsy am-parafara
Fa dia mandry andriran'antsy
Voky lainga, heso, fantsy

Raha hitraotra voarara
Nefa koa tsy ampy vatsy
Ka angamba atsy ho atsy

Dia tsy maintsy ho very anjara
Ho ory sy hangasiasy
Ny vahoaka malagasy

Raha tsy efa tara loatra...
Mba amboary izay voavoatra
Ry Andriamanitra tsy toha

Hoy ny zanakao: i Zo
--------
Rohy:
772 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0184