Nampandrenesina ianao (heritreritro)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izao lahateny izao, Tsy hoe tahirin-dolom-po,
Tsy valifaty, tsy antsojay,
Fa hetahetam-piainan-tsoa,
Avy amin'olona efa fay:
Ny ratra mantsy zary olatra,
Fifamelàna no koloina,
Nefa_aoka ho lesona sy ohatra:
Tsy misy ny fanadinoana.
Misy fetrany ihany ny azonao leferina,
Ny fosa sy heson-teny nodianao tsy re,
Ireo fiantsiana ady efa mpiverimberina,
Ny hany fahendrena: lalan-kafa aleha.
Ny adalàna dia ny famerenana,
'Zay efa hita sy efa fantatra,
F'hitera-bokatra anenenana,
Saingy odianao ho ankamantatra.
Manomboka eto, izao dia izao:
Nampandrenesina ianao!
--------
Rohy:
