You are here: home > Vetso

lazon'ady - heritreritro

Azo vakiana?

Mihitsoka ry zandry ny fotoana 'refa' noana a!
Mipitsoka ny sandry raha voatery foana hitaona!
Mety ho ditsoka ny maso: vovoka no manoloana!
Fa raha ny herimpon'ny bandy, tsy ho resin'ny fotoana!

Ho azeran-dry lerony ialah' vao hevitra ts'hiraisana!
Tsy ho ferany ny fony, hialona an'lah': tiany hahita faisana!
Ny sera koa tsy tony, fa fosa mpanaratsy, ny ompa tsy voafetra!
Sedra avy ao ambony e: finona no hany vatsy, amin'ny olana rehetra!

Tsotra ny ahy ny tetikady, ary tsy ho asiako sento:
Ny atao hoe lazon'ady: fo mbola manohy mitempo!
Mbola vonona hiady, n'inon'inona ho sedraina!
Ho an'ny zanaka sy vady, azo afoy hatramin'ny aina!

Hametraka hevitra

Midira aloha