Ry mpamono teny gasy! (heritreritro)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nahoana ianao no faly
Manoratsora-poana
Ny teny malagasy?

Tsy mahatsiaro jaly
Tsy vonona hisaona
Na hoe hangasiasy!

Nefa lasan'ny omaly
Nalevon'ny fotoana
Ny hasin-teny malagasy!

Maika ianao hanoratra
Tsy miraharaha tsipelina
"Mety foana io" hoy ianao

Anefa ianao dia ohatra
Efa maro mpankatelina
Amin'izay rehetra atao

Disoinao ny farateny:
Ovainao "u" ny "o",
Soloinao "oui" ny "eny"
Ny sainao mihitsy no efa lo!

Tsy hajainao ny teny gasy!
Tsy voafehinao ny hafa!
Am-bava sy an-taratasy
Tsy asianao hajany ny tafa!

Tsy hay izay tianao ambara:
Teny gasy sa vazaha?
Tsy an-tany ianao, tsy am-parafara
Anefa ianao dia gasy rĂ !
--------
Rohy:
400 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01