Lovao ny fito amby efa-polo (1947) (heritreritro)

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Inona sisa no lova tavela
Niharetan'ny ray aman-dreny tafondro
Ka tsy rimbon'ny vola sy fitiavan-tena
Efa abaribarin'ireto mpitondra?

Moa mba voahaja ny zonao hiteny
Hitraotra fa mafy ny adim-piainana?
Sa nofy ratsy ihany fotsiny ireny
Fa manga ny lanitra, tsisy hitarainana?

Moa tena miasa avokoa ny tanora
Ka mamirapiratra ny ho avy miandry azy?
Ary ilay vidim-piainana ve nihamora
K'izay manakiana mendrika sazy?

Moa foana tanteraka ny kolikoly
Ka mahaleo tena tokoa ny mpitsara?
Sa izy ireo mbola saribakoly
Ka izay mahantra tsy manan-kanjara?

Tsy mivangongo tokoa ve ny fako
Sa tsy olana izany tanàna voretra
Ka na vazavaza na antso manako
Na inon-kidona: efa azo ny hetra?

Moa ve tsy tapaka intsony ny jiro
Nampanantenaina hirehitra foana?
Sa hazo boboka ilay hoe "fikiro"
Fa ny fampandrosoana tsy ho an'ireo noana?

Ary eny an-dàlana fizorana,
N'aiza n'aiza ny fonenana,
Tsy misy intsony atahorana
Amin'ny fahandriam-pahalemana?

Indrisy, very avokoa ireny!
Tsy nisy mba nikolokolo
Ka mijoroa, sahia miteny,
Lovao ny fito amby efapolo!
--------
Rohy:
469 2
Mpakafy: heritreritrO - hery
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0116