mba lanjao kely azafady (heritreritro)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mba lanjao kely azafady
Dieny mbola tsy mpivady
Ny hasarotam-piaronao !!

Mpifankatia tsy miantsy miady
Nefa aza enjanin-droa ny tady
Fa mba matokisa ianao !!

Tiako ianao, marina izany
Sanatria tsy ho hanihany
Nefa kosa mihevera !

Maro ny olona eto an-tany
Ny manja koa tsy mety lany
Noho izany mandefera !

Ny masoko raha toa mijery
Ny foko efa anao irery
Tsy toky fitaka tsy akory

Tsy gejainao aho na voatery
Ny fitia no efa mahery
K'aza dia manorisory

Koa amboary izato saina
Kizitina sy mpitaraina !
Dia matokisa fotsiny ihany !

Ianao no silaky ny aina
Ny fitiavanao no ilaina
Aza adinonao izany !
--------
Rohy:
2083 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138