Ny fanetren-tena (heritreritro)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny fanetren-tena anie lesy ry zandry
Tsy hoe faharesena satria kely sandry,
Na fitiavana hangina fa hoe raiki-tahotra
Ka hoe ambaniana dia iny fa miahotra e

Fanajàn-tena lesy izy io zandry a!
Atao fahendrena ny tsy hanenjan-tsandry
Raha toa mbola vita ny fifandeferana
Terena hiserana izay hatezerana

Tsy resak'adala io na hoe hanihany:
Mivoavoa ny alika fa fombany izany e!
Hitsikiko mangina f'indray androany ...
Ho kôpy ihany ialah' ... Boribory ny tany!
--------
Rohy:
1634 1
Mpakafy: hery
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147