Androany - hjravs
Azo vakiana?
ANDROANY
(Valin'ilay tononkalon'i RFE Andria "Anio")
Ny lasa sy ny hoavy
rehefa nifanaiky
dia indreny nifanantona,
nony nifanakaiky
dia indro fa nikatona
ho tontolonao ry androany,
koa ampirimo ny baraingo ary aza manontany,
hoe avy aiza ianao ka ho aiza
fa ny omaly efa nitaiza
ny ampitso ho sakaizany,
ka ianao no mahasahia
ho vavolombelona
fa tiany ny malalany
ary manjaria,
tsy ho mpanelingelina,
fa ho fitohizan-dalan'
Ny lasa sy ny hoavy!!!
Hj Ravs
Hevitra mandeha
Arofanina (12/04/2015 08:22:49)
Mombamomba
Mpanoratra : hjravs
Nampiditra : hjravs
Daty : 11/04/2015
Mpamangy : 984
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
RESAKA MISY VOLOMBAVAA F A P O T O R Y
AMIN'ILAY MISY, Sa AMIN'ILAY TSISY...
FITORIANA
LOKO TOKANA
14 febroary
KILASIMANDRY
TRANGAM-PIAINANA
Tantara
ALEOKO