You are here: home > Vetso

AVERENO NY SARINY - hjravs

Nantsain'i
ikalamako

                        AVERENO NY SARINY

Moa ny fatram-pandrosoana sa ny refin'ny fivoarana
no mampihena, manafohy ny faritry ny fahamenarana?
                       fa raha ny lamba,
                         kosa angamba,
               betsaka azo hivalamparana.

Fahalevonan'ny fanahy sa efa asan'ny satana
f'iretsy firenen-dehibe no nakato ilay lalàna.
                      k'indreo  fa sahy
                        ny samy lahy,
              'ndeha hampiombona filàna.
                      ......................
                  Aleo haverina ny sariny,
                  dia 'lay sary namboariny
                  mba hitovy endrika aminy,
                  fa maty hasina ny taniny
                  ka mendrika ny horinganiny!!

                            hjravs

Hevitra mandeha

fenohasimpitia (14/09/2016 04:50:37)

M'lay fa toizo r'angah!

hjravs (01/08/2022 16:41:09)

Mankasitraka ilay mpiantsa fa mahafinaritra ery ny mihaino azy.

ikalamako (04/08/2022 08:37:07)

tam-pifaliana e. Ianareo mizara ny aingan'ny fanahinareo no isaorana.