HIK! HIK!... (hjravs)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HIK! HIK!...
tsy zazakely aho lehiroa,
zakako io!
Raha mbola bota fanindroa,
tairo, ampio!
Fa aleo mba hisy tono akoho
hitelemana azy,
ranom-boasary ihany koa
atao kopazy!

Tsy mpisotro aho akory
fa androany
misy raha manorisory
an-dohako any!
mila mamo mihintsy 'ngamba,
raha tsy izany,
tena mety hanary lamba
no hiafarany!

Aleo ambarako amin'Ingahy
ny tantarako
fa ny manakiana ahy
mba hanafarako,
aleo mba mihaino tsara aloha,
dia maka lesona,
Tsisy bilao ity lehiroa,
na misy esona.

Herintaona lasa 'zahay
no efa niaraka,
toa tsy ho faty, tamin'izay,
rehefa mampiaraka
Mialitiana Nivohary
no anarany,
Anjely mihintsy raha ny sary
sy ny hatsarany!

Maontimaontina, bonaika
'lay zavavy,
Tsotra sy malemy paika
"Masimbavy".
'Zay tia mahandry ka nohajaiko
ny amin'iny!
Raha Mariazy, ny ilaiko:
"Virijiny"!!

Fa omaly aho raha namangy
ny akaniny,
bandy akama no nifampisangy
taminy.
Raha sangisangin'ny mpinamana
azo hiafiana
fa ny azy ireo 'lay mifamahana
am-pandriana.

Raha nisy basy aloha taty
dia Bang! Bang!
mpisandosandoka fitia,
'lay viavy Janga!
Anjely aho e, anjely,
hay menarana!
Taranaka devoli-kelin-
dry satana!

Toa tena tsy azo itokiana
ireo manangy,
aleoko indray hosafidiana
ny tavoahangy!
He! lany sahady 'ty ny anao
ry Dada Zisy
Tsy aleo ve avy dia atao
soasanty disy*?!

Booaokk!
Mitady hiverina izy izany,
mamo isika,
Mitsingerina ny tany
Hik! Hik!!..
Hj Ravs

(* soasanty disy: 70cl na bota(35cl) roa!)

dia hitan'i Zokibe Rado leiry dia
hoy izy:
Iny ange tazano
'lay tovolahy fa mamo
mandroaroa fijery
sy toa miteny irery
kanefa dia mikiry
no manarina ny tena
na efa impiry impiry
no hita fa mivena...

Toa tovolahy tsy zatra
misotro loatra akory
fa angamba nisy ratra
sy sento nampahory
avy any anaty fony
ka toaka no sotroiny
...na angamba koa
nisy olon-tiany
nambabo izany fo
saika novangiany
kinanjo olonkafa
no hitany nitafa
sy nisakambina azy
ka dia nangitakitaka
ny fony efa babo kanefa dia voafitaka.
Ka toaka no nosotroiny
fa mamo koa ny fony,
mamom-pijaliana
navadiky ny tiana!!
Rado
--------
Rohy:
1904 7
Hevitra mandeha
Arofanina ( 10/05/2015 08:24)
Nozaraiko tao @ vondrona "ONJAONJA-PITIA" an'ny facebook fa kanto e ! (sa tsy azo zaraina?)
hjravs ( 11/05/2015 06:19)
Misaotra @ fankafizana e! Zarao fa 'zany mahampitondra hafatra antsika ka!
andry 1000 ( 11/05/2015 06:32)
tena giirraavvyyy ndray ty a! tena nisy ve ilay tantara,
aleo mba mihaino tsara aloha,
dia maka lesona,
Tsisy bilao ity lehiroa,
na misy esona.

dia niainga taminy tonokalon'i Rado ve le inspiraka? mba valio azafady e!
Arofanina ( 11/05/2015 12:28)
Miavaka ilay aingam-panahy ka ankafizin'ny maro e !
Mankasitraka ny mpanoratra !
Arofanina ( 11/05/2015 12:28)
Miavaka ilay aingam-panahy ka ankafizin'ny maro e !
Mankasitraka ny mpanoratra !
lanto ( 26/05/2015 05:06)
Milay (Y)
zoana15 ( 27/05/2015 06:19)
Tsara!
hjravs ( 28/05/2015 09:25)
misaotra antsika namana mankafy e!
arisoacool ( 10/06/2015 17:03)
tena tsara nahasondrina ilay tononkalo nisy sary an-tsaina
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0171