NY SAKAFONAO (hjravs)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY SAKAFONAO

Mantamanta mohaka,
sarotra levonina
ny ventin'ampangoro narosonao ho ahy;

tena tiako hitohaka
ny molotro 'lay roni-na-
atim-borona, saingy... vorona mifahy!

Ny sakafonao tsy hoe halako,
f'ilay vavony adalako
no mifidifidy hanina,
k'aleo, aky, hilamina...

'zaho ange tsy fady,
f'ilay kalin-dry no tsy miady
amin'ity fahasalamako!
Tsy hoe fihafahafako,
f'aleo ho amin'izao!
Dia misaotra, indrindra, amin'zay narosonao!!!
hjravs
--------
Rohy:
1260 1
Mpakafy: Masoandro Mainty
Hevitra mandeha
DotMG ( 09/07/2016 06:47)
NY NAHANDROKO.

Ka inona ihany no mety amin-droky?
'zay rehetra nandramana samy natosika
Lazao raha mba misy sakafo mahavoky
Hampahazoto homana ka hambosibosika?

Nandramako ireny: dibera, ronono
Lazaina fa hoe mamparary mivalana
Dia avy eo nosoloin-jana-poza natono
Tsy nety afa-po ise fa dia nihalangalana.

Vary ampangoro, izay nahandro gasy
Lazaina fa mamofompofona hery (*)
Inoako ihany koa izao f'ilay mananasy
Hotazanim-potsiny, havela ho very.

(*) hery = fivalanana.
hjravs ( 11/07/2016 11:55)
(y), Milay, nama izy 'zany, tsy 'lay nahandro fa 'lay dokam-barotra a!

Ka ny ronono
rehefa mivadika tena mamono;
ny foza kely,
mampagidihidy k'aleo tsy mamely;
ilay mananasy
vao miha-mahanoana, nefa fango i Ragasy,
ho lo eo ny tsinainy
satria "fery vao" no hifangaro amin'ny T.iny!

Oviana, ihany re, vao ho tojo ampangaro manitra sy varanga tsara tono e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147