PAO-TSATROKA HO AN'i OM-GUY (hjravs)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
PAO-TSATROKA ho an'i "Om Guy"
Niainga tsy niera,
nidila tsy lera
'lay "kitana iray"
nizara ny taratra "vazo milay"!
Izaho mbola sodoka,
variana nigoka
ny hatsaran'
ny tarany
tanatin'ny vazo,
tamana nahazo...
kanjo nosomparan'
'ny rahona faran'
ilay fandaharana!
...Fa izy iny sakaiza
nanefy, nitaiza
ireo mpakafy
tanaty tontolon'ny filôzôfian'
ilay "Country",
teto amin'ny tanàna!!
Koa am-panajana
no 'ndeha hananganana
tanana havanana:
mandria am-piadanana
leitsy, rahalahy...
Ny akama rehetra eto, mangahiahy
hoe iza indray
no hanolotra vazo milay
ho anay?!!!
hjravs
--------
Rohy:
Sokajy : tantara - Fisarahana - Alahelo
1794 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102