Adidiko ny taniko (honenantsoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Adidiko ny taniko...
Katsaiko, lafatra firindra.
Hanefako adidy anatin'ny
hafatra an- tsoratra,rinindra.

Indrisy! Revo ity randra- mbao
Kanto ! Toa tsy manendrika anao.
Tazomy sata izay efa najoro;
Vakondrazana atao tsara kolo.

Ny fanovozam-pahalalana
Aza atao ankila- Bao.
Ny olam-panabeazana;vahao
Ireo tanora tsy an'asa ;zahao

Ny mizana tsy ho mitan'ila
Tsy hisy Tombo sy hala
Marina ho rariny ihany
Diso hitsina hatrany

Gaina mamahatra an-hatsana
Nipaka jerena,tsy tazana
Filamatra ny sampy tanala
Tsy hijaly tarana am-para

Filaminana,fandriam-pahalemana
Ady mosary laharam-pamehana;
Fitondrana mangarahara tsy mikoro;
Fiandrianana mahitsy fijoro

Fampandrosoana tsy hita anio
Mitaky fiharetana Io tadidio.
Aza variana tolorana zava-poana,
Fivoarana miandry aman-taona

Finiavana,fiharin-karena
Fahombiazan' ny firenena,
Fihavanana sy firaisan-kina
Valin-tanana ilaina am-pamendrehana

Eny...! Tsy ampy raha ny (voa) teny
Fa fantsona hafahana tanjona kendrena
Adidiko, adidinao ny hiasa ,hivavaka
Hampamiratra nosy vaovao.

Tolom-pahafana tsy fitivanam-
pahefana fa ho fahaleovana izany
Voninahitra ho an'ireo maty,
Nikomy ho an'ny tanindrazana.


: Honenantsoa

Mai 2024
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
79 1
Mpakafy: honenantsoa
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : honenantsoa
Nampiditra : honenantsoa
Daty : 06/02/2025 18:35
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0151