Fanaperana (honenantsoa)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Toy ny tsela-baratra ka
Nanaitra tsy satry ny foko sondrian-tory ny hatsaranao
Voary kanto tena miavaka nandalo teo imasoko ianao
Fanaperana indrindra rehefa iny ianao mitsiky
Mandrobaka fo mahababo ny fiangolam-peonao Milantolanto
Mandrakotra mandrobona anatin'ny loha
Ny endrika sy bika ary momba anao rehetra
Ianao no tonony nanoratako kalo tsy hoe nofinofy
Fa tiako hitoetra tsy ho voafetra
dia fitiavana mandrakizay ho anao
raha sitrakao fa tena tiako loatra ianao

: Honenantsoa
--------
Rohy:
Sokajy : Marsa 2024
533 5
Hevitra mandeha
hery ( 01/05/2024 22:00)
Nahazo ny loka faharoa tamin'ilay fifaninanana tononkalo Marsa 2024 ity tononkalo ity. Nandefasako email ianao momba ny fanomezana ny loka.
ikalamako ( 02/05/2024 07:39)
arahabaina indrindra o !!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : honenantsoa
Nampiditra : honenantsoa
Daty : 08/03/2024 10:43
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.016