(I)ray sy (I)reny (honenantsoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa ireo anatra tsy avela ho raraka an-tany
Fa ireny fanilo mitaratra ny soa
Ny nahitana masoandro no lakana niampitana fady hitsipahan-doha
IRay nibedibedi-teny toa indraindray makarary
Fa hay fitiavana ho toha
Ny rotsa-kazo koa fananarany
Fanitsiana mba ho olom-banona tokoa
Izy IReny nihafy ny hirifiry nigoka rano tsy tiana
Fa nanome aina mba ho any sombiniainy tiany

: honenantsoa
--------
Rohy:
45 1
Mpakafy: honenantsoa
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : honenantsoa
Nampiditra : honenantsoa
Daty : 20/04/2024 07:00
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0161