Farany (honenantsoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Efa tsy nofy ratsy ilay mpandrakotra ny alina haizim-pito
No iainan'ihalahy fa iny no nanatitra hifoha
Ka niposaka mibalika teo ny hazavana
Raha mijery ny hasarotan'ny halavirana iny ialahy
Tsy nidongy ny ho tantanana tsy nahatonga namana
Fa iny lalana iny novitain'ialahy irery hatrany
Eny !...efa tsy ho solafaka intsony
Satria tsy hizotra hifantonka fafinaretan'ny tany
Efa tsy hahare reraka fa nahasedra ireo
Enta- mavesatra ka tody FARANY ilay hoe fahasambarana

: honenantsoa
--------
Rohy:
Sokajy : Ahy - Fiainana
54 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : honenantsoa
Nampiditra : honenantsoa
Daty : 20/04/2024 07:36
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142