Tononkalo (honenantsoa)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tononkalo no vetsoiko Hitondra hery fa tsy ho toloko
Hampiala sasatra eran-tany
Mampifaly raha toa ka tomany
Tononkalo tsy ho foana
Na mandalo ny fotoana
Fa hampiaina nofy anao aho Poeta
Hivimbina soratra tsy ho voafetra
Tononkalo mitantara faniriana
No hoentina handresen-dahatra ny tiana
Raha tsy mbola mifanjohy fo
Ny kalo no kaloiko hababo olo-droa
: honenantsoa
--------
Rohy:
Sokajy :
Mars 2024
Mpakafy:
honenantsoa