DADA IHANY (IALY NOFY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
DADA IHANY

Raha tonga teto an-tany
Ka nanomboka niteny...
Nibadabada niantso Dada,
Io no tao am-bava .

Izy no natao hamelona
Hahatonga anay ho olom-banona .
Dada ihany,Dada indray...
Izy no mikarakara anay .

Raha jerena amin'ny fo tsy miangatra
Tsy mba taitra firy , toa tsy rototra .
Mijery lavitra ...tsy mitsinjo ny ho avy ,
Izay i Dada ....Tsy mety ho kivy .

Dada a , na lavitry ny ankaso
Na vonto ny alahelo ...Miampy ny tarazo
Mijoro foana Dada ...Lavitra taraina
Manantena ny ho tafita .

Ho lehilahy mahery
Hitory an'i Jesosy
Atombony ato an-trano
Ho reherehan'ireto zanako.

Ho faranako ilay amboara
Ilazako ny tantara
Raha i Ddada no lazaiko
Tsy ho foana ny ato an-tsaiko

Mankasitra ry Dada
Tsy ho foana ny anatra nambara
Mivavaka ho anao ...Ho eo anilanao
Aza mitomany Dada , ho ela velona
Hoy ity zanakao

Ho an'i Dada ANDRIANARIVO Fanomezantsoa Raphael
Ambatomaro ; 10.11.2022 .
--------
Rohy:
95 1
Mpakafy: Ialyandrianarivo
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : IALY NOFY
Nampiditra : Ialyandrianarivo
Daty : 28/02/2024 06:45
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014