VAVAKA (IALY NOFY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VAVAKA
TOMPO O! INTY ILAY ZANAKAO
mIVERINA FA MANIA
nANDAO ILAY AKANINAO
NADITRA NANAO NY TSY FANAO .
MIFONA AHO FA TSY NANARAKA NY SITRAKAO
NANARA-PO TOKOA ; NANARAKA IZAO TONTOLO IZAO
ANKEHITRINY MIOVA NY DIA
HIVERINA AMINAO
SATRIA IZAO ILAY VERY KA HITA INDRAY.

MARO IREO ADALANA NIFANGARO OTA
NANARA-PO TOKOA SATRIA NADITRA
MIFONA FA HATRAMIN'IZAY
DIA JAMBA NY MASOM-PANAHY
NY FIAINAKO REHETRA DIA NANJAKAN'NY DEVOLY

RAISO TOMPO IZANY VAVAKO IZANY
ARY MANGATAKA AMINAO MBA HAMELANAO MANDRAKIZAY
IZANY TOMPO O!NO MBA TENIKO
MINO AHO FA AHAZO NY FAMELAN-KELOKAO !
amen

14.06.2023 ILAY NOFY
--------
Rohy:
Sokajy : Embona - Aingam-panahy
210 2
Hevitra mandeha
SANAKERIB ( 20/02/2024 07:39)
NISY MPANDIMBY IHANY DADA.MAHEREZA SOMBINIAKO
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : IALY NOFY
Nampiditra : Ialyandrianarivo
Daty : 20/02/2024 05:28
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138