FAHORIANA (IALY NOFY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tao anaty fijaliana
Sy tao anaty fahaoriana ,
No indro hitako tao
Ilay endrikao maloka

Ny fahoriana mantsy
Tena nisesy tokoa;
Tsy nisy mamy fa mangidy,
Ka tena nahakivy

Ny ranomaso milatsaka
No manambara izany
Ka sento lava sy tomany
No hany mba natao

Dia tena izao foana ve!
Ilay atao hoe"FIAINANA"
Sa fitsapana fotsiny
Izato lalan-kombana

Fa eny e !
Ady marina ny fiainana ;
Kanefa ihany koa ,
Tanako izay ananako

Ny fahoriana manko ,
Dia mangidy sarotra iainana ;
Ka tsy adala ny Ntaolo niteny hoe:
"TANTELY AMAM-BAHONA NY FIAINANA"

Zandry a!
Ao fa kely sisa ;
Dia hisinda ny fijaliana ,
Ka hafaliana sesilany ,
No hita indray eny amin'ny endrikao

Zandry a!
Tsy ho ela intsony mantsy ,
Ny hirifirin'ny fiainana ,
Ka ilay vahona mangidy
Ho lasa tantely mamy

Zzandry a !
Aok'izay ilay tomany
Ilay nitondra ny maizina
Satria indro niposaka avy any ,
Ilay hazavana mamiratra

Zandry hia a !
Aza mora mitanondrika ,
Fa mbola maro ireo hoavy ho banjinina ;
Ka sao dia reraka ao ,
Ilay hery nokoloina

Zay akia ry zandry a!
Ilay tenin'ny zokinao
Tsy dia manan-kolazaina
Fa dia mirary so anao


27- 01-2024 IALY NOFY
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
47 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : IALY NOFY
Nampiditra : SANAKERIB
Daty : 12/08/2024 07:50
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0687