TANINDRAZAKO (IALY NOFY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TANINDRAZAKO
Teny roa natambatra
Tany ampiana razana,
No manome anao;
Ho lasa Tanindrazako

Raha mbola hasambarana
Ao aminao no ahitako izany,
Raha mbola hatsarana,
Gasikara tena tsara .

Tanindrazako lalaiko
Ao no miainga ny kanto .
Sy tantara maroloko ;
Tena mamy sady toa tsy foiko .

Ao aminao no misy ireo zava-boahary
Izay nataon'ilay Nahary .
Tany sarobidy ;
No nomenao ahy .

Tanindrazana lalaina
Tanindrazana koloiko
Ao no misy ny soa ,
Madagasikara tena kanto .

Ambatomaro - Antsobolo . 17.11.2021 Ialy Nofy
--------
Rohy:
189 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : IALY NOFY
Nampiditra : Ialyandrianarivo
Daty : 22/02/2024 08:14
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.024